LAY TOERA-MAMY
Toerana iray
Dia tsotra kely izay
Nampiray ka tsaroana indray
Fitiavana iray
Niseho tamin'izay
Mitamberina an-tsaina indray
Lasa Paradisa teo
'lay toerana kely
Niova lapa tampoka teo
'Reo trano kely
Raha misaina ilay toera-mamy
Dia tsy maintsy ho manina ihany
Aiza intsony moa no ahitako anao
Ny foko efa nilaozanao