Oldiblog

Fermer
  Créer son blog KaZeo     Rap et RnB     Communauté Ados     Créer un blog gratuit Lundi 23 novembre 2009   St Clément  
Chants musiques de madagascar
 

puce Sommaire des articles de cette rubrique

   

puce Ny mpifankatia (le 16/03/2008 à 05h12)


Eric Manana - Ny Mpifankatia
envoyé par rajefra

Ny Mpifankatia - "Les Amoureux" de Razilinah interprété par Eric Manana

[ Ajouter un commentaire | 0 commentaire(s) | Imprimer | Permalien ]

puce Afindrafindrao (le 16/03/2008 à 04h34)


Eric Manana -Afindrafindrao
envoyé par rajefra

Afindrafindrao

Roy e roy e roy e ry lahy!
Midola tsy ketra'ketrak'ila
Midola tsy amin-tsavony mavo rajo
Midola mitongom-baky "mauvais"
Mitari-pasika mody ka tsy tiako
Lazondazom-boakanzo nankalao
Lazondazom-pitia nanadala
Tiavo ny havanao Ramatoa
F'izaho aza ariana sombiniaiko
ieh! Azy ny azy e!
Eny veloma ihany 'zany havako
'zany eny veloma!

Eny ekeko fa marina izany
Raha ianao peratra
Izaho ratsan-tanana
Ianao no endriko
Izaho bikanao sombiniaiko
Aza dia miavonavona ry kala
Aza dia tsy miteny ho'aho ianareo
Raha tsy tianareo anie aho
Atero eny antsasa-dalana aho mba hody
Eh! Azy ny azy e!
Eny veloma ihany 'zany havako
'zany eny veloma!

Eny ekeko fa marina izany
Tavohangy raha mihilana
Tohanako lantinoara
Ise kely raha mihilana

Tohanako latin-tsandry moramora
Eh! Azy ny azy e!
Eny veloma ihany 'zany havako
'zany eny veloma!

Eny ekeko fa marina izany
Tranonay sy malala
Manao atsimo sy avaratra
sioka tokana dia mivoaka
Kopa-damba dia lasa "rendez-vous"
Ondaondano kely anie aho ry patro
Fa marary ny an-dohako
Fa naninona no narary ?
Tsy niala vazo-boana ka narary e !
Eh! Azy ny azy e!
Eny veloma ihany 'zany havako
'zany eny veloma!

Eny veloma masina ny aty
Teny Antananarivo izahay
Arivo tratry ny taona
Tetsy Ambatonakanga izahay
Nahazo akanga nivady o!
Ary teny Ambohimanga izahay
Namangy an' Ikaky sy Neny

Itondray tamotamo aho hotamotamoko
Itondray sakarivo aho hirivorivoko
Paraky mahery izahay re
Ka tsy hohanin' olon-jejo.

Razilnah

[ Ajouter un commentaire | 0 commentaire(s) | Imprimer | Permalien ]

puce Ny zanako (le 16/03/2008 à 04h30)


Eric Manana -Ny Zanako
envoyé par rajefra

NY ZANAKO - "Mon enfant" de Razilinah  interprété par Eric Manana

Ny zanako

Ny zanako mantsy ka zanako
Izy no hany fananako
Izy no tompon'ny aiko
Mpadidy sy tena mibaiko

Nilomako rano tsy tiana
Namoizako ireo fifaliana
Niankinako rindrina irery
Fa tsy nilako mpijery

Ny zavatra vitan'ny tanako
Dia nataoko mba ho an'ny zanako
Ka na inona loza mihatra
Ny zanako tsy mba hahantra
Aina avy amin'ny aina
Ka tsy foiko, tsy foiko hiferin'aina.

Razilnah

[ Ajouter un commentaire | 0 commentaire(s) | Imprimer | Permalien ]

puce Aza omena tsiny (le 16/03/2008 à 04h27)


Eric Manana - Aza Omena Tsiny
envoyé par rajefra

Aza omena tsiny - "Ne me donne pas tort" de Razilinah interprété par Eric Manana

 

[ Ajouter un commentaire | 1 commentaire(s) | Imprimer | Permalien ]

 

puceMises à jour

 - Mamzelle Haingotiana Articles 29/06/2008
 - RAHELY'S Blog Tous pour Madagascar Liens 11/03/2008